airtel

Fandriampahalemana

14-juil-2025

AMBAVAHADITOKANA ITAOSY

Nangalarin’ny mpanampy ny vola 2 tapitrisa Ar

Sample post image

Mila mailo hatrany amin'ny mpanampy an-trano amin'izao.

14-juil-2025

Tsy amin'ny fitaizana ny ankizy sy ny fikarakarana ny ao an-trano ihany fa indrindra koa amin'ny resa-bola. Teny Ambavahaditokana Itaosy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano manokana dia vola mitentina 2.000.000 Ariary no nataon'ny mpanampy an-trano iray tao anaty gony, ny faran'ny herinandro teo. Ny tompon-trano mandeha miasa, ikala misava ny trano rehetra, raha araka ny vaovao azo. Novakiany mihitsy moa ny efitra fatoriana ka nalainy tao ny vola rehetra. Efa nikasa ny hitsoaka izy i voasambotra vokatry ny vaovao mari-pototra azon'ny zandary. Miantso ny rehetra ho mailo araka izany ny zandary. Tsy misy marika manokana hahafantarana azy mantsy ny olona iray hoe : mpangalatra.
Pati
Légende : Sarotra ny mahatoky olona amin'izao na mpanampy an-trano aza !
 

Dans la même rubrique