airtel

Fandriampahalemana

12-oct-2022

Fandriampahalemana

Ambodimita Jenjin’ny big boss n’ny mpanendaka ilay Ramatoa

Sample post image

Manaraka olona hatrany anaty taxi-be miaraka amin’ny big-boss sy antsy maranitra ireo olon-dratsy mpanendaka eny Ambohimanarina eny ary mandositra amin'ny moto rehefa avy eo .

12-oct-2022

Tratran'ny polisy tetsy ambodimita ireo roalahy havanana amin’izany omaly. Niditra tao taxi-be teo Ivandry izy ireo ramatoa iray nitondra poketra . Niala teo Ambodimita ity farany ka indrindra teo no nararaotin'ilay mpanendaka nisintonana ny poketran’ilay Ramatoa. Tsy voasinton' ity mpanendaka anefa ilay poketra fa voatazon'ilay ramatoa mafy ka notifirin'ilay olon-dratsy tamin’ny "big boss" ny mason'ilay ramatoa ary voatery namotsotra ilay poketrany ity farany. Efa voaomana ilay fanendahana raha araka ny fantatra ary efa nisy moto tonga naka an'ilay mpanendaka hitondra azy handositra avy eo . Nisy polisy tsy lavitra nahita ilay tranga ary tonga namonjy ilay ramatoa. Mbola tratra teny amin’ilay mpanendaka sy ilay moto nitondra azy moa ilay antsy sy ny big boss ary rongony hampiasain'izy ireo amin'ny asa ratsy izay fanaony.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy, mpanendaka ny iray raha nitondra moto ny iray
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap