airtel

Fandriampahalemana

12-mars-2021

Fandriampahalemana

Ambodivoanjo -Tanjombato Vehivavy iray voaendaka 700.000 Ar vao maraina

Sample post image

Vehivavy iray no nisy nanendaka teny Ambodivoanjo Tanjombato ny marainan’ny 15 febroary

12-mars-2021

 

 

 

lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina. Vehivavy handeha haka entana hamidy izy io raha araka ny fantatra ka very tamin’izany ny lelavola 700 000 Ar. Araka ny fitantaran’ilay vehivavy dia dimy lahy izy ireo no niaraka nanao izany asa ratsy izany. Mody mibaby kitapo toy ireny olona handeha hiasa ireny izy ireo. Rehefa nifanena tamin’ilay vehivavy anefa izy ireo dia namoaka antsy ny roalahy. Noho ny hery tsy mitovy anefa dia tsy sahy nanohitra ilay vehivavy. Na izany aza nitory izy ka saron’ny polisin’i Tanjombato afak’omaly ny telolahy tamin’izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny niakarany teny anivon’ny fampanoavana.

Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap