Fasana miisa 3 be izao indray no nisy namaky, tao Antanetibe fahatelo, vohitr’ Ampangabe, distrikan'Ambohidratrimo ny alin’ny Sabotsy teo. Razana manodidina ny 24 isa no fantatra fa voaroba sy voakirakira tamin’izany. Ny Fasana iray voalohany nahaverezana razana miisa 6, ny faharoa nahalasanana taolam-bato miisa 7 raha miisa 11 be izao kosa ireo lasibatra tao amin’ny fasana fahatelo. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny fahavakisan'ireo fasana ireo izay efa nibanabana sy feno vovoka hafahafa teo am-baravarana ka niezaka ny nampandre ireo manam-pahefana haingana. Taorian'ny fanadihadiana nataon'ireo zandary dia noraisina ny fepetra rehetra ka nototorana avokoa ireo fanasana miisa telo ireo. Mbola nisy tsy nahafantatra izao trangan-javatra izao moa ny fianakavian’ireo efa maty sasany. Na izany aza efa misokatra ny fanadihadiana.
Pati
Legende : Mampihoron-koditra ny vaky fasana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy