airtel

Fandriampahalemana

02-mars-2023

Fandriampahalemana

AMBOHIDRATRIMO Lehilahy 4 tratra nangalatra gisa 5 sy gana 3

Sample post image

Mirongatra ny hala-borona eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Saika ho isan’andro no hahazoan’ny zandary eny an-toerana fitarainana mifandraika amin’izany,

02-mars-2023

mpanao hala-botry izay marihina fa mahavita mamaky fisoko mihitsy. Lehilahy miisa 4 araka izany no sarona ny alin’ny 28 Febroary teo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina tao amin’ny Fokontany Fiakarana kaominina ambanivohitra Anosiala. Tompon-trano iray no nampandre ny zandary fa misy olona misikotra ny tranony tamin’io alina io. Raikitra ny fifanjevona sy ny fisamborana noho izany, antony nahatrarana azy efa-dahy ireto. Tratra teny amin’izy ireo nandritra izany ny gisa miisa 05 ary gana miisa 03. Niaiky ny heloka vitany izy efa-dahy ireto ary nilaza fa tsy vao sambany izy no nanao izao asa ratsy izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap