airtel

Fandriampahalemana

19-juil-2022

Fandriampahalemana

Ambohidroa Ambohimanarina Tratra ireo roalahy nanendaka zaza tsy ampy taona

Sample post image

Zazavavy kely tsy ampy taona 2 no nampisehoan’ny mpanendaka ny fahaiza-manaony ny 13 jolay lasa teo teny Ambohidroa Ambohimanarina.

19-juil-2022

Tokony ho tamin'ny 4ora hariva no nitrangan’izany, andro mbola tena mazavabe. Narahan' ireo mpanendaka avy aoriana izy roa vavy ary rehefa tonga tamin'ny toerana mangingina sy takotakona dia nohararaotiny. Natositosik'ireo olon-dratsy izy ireo ary namoaka antsy avy hatrany ireo mpanendaka. Nanambana sy nandrahona azy ireo ireto farany nandritra izany no sady naka ny zavatra teny am-pelatanany. Lasan'ireo tsy mataho-tody tamin'izany ny finday, casque audio ary ny vola teny amin'izy ireo.Lasa nitsoaka kosa izy ireo rehefa azo ny zavatra nilainy. Nampandre ny Polisy miasa ao amin'ny kaomisarian’ny CSP 6 Ambohimanarina ireo niharam-boina taorian’izany. Nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fitadiavana ireo nahavanon-doza ka noraisim-potsiny teny Ambohidroa izy roalahy ny ampitson’iny. Fantatra fa efa mpanao asa fanendahana sy sinto-mahery eny amin'iny faritra iny ireto tratra ireto. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy roalahy ireto taorian’ny niakarany teny anivon’ny fampanoavana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap