airtel

Fandriampahalemana

02-déc-2025

Ambohimanambola Betafo

Dahalo iray maty voatifitra, omby 4 tafaverina

Sample post image

Dahalo miisa 4 nitondra omby halatra 2

02-déc-2025

no hitan'ny fokonolona tao amin'ny zohin-dRamerina Laondany, Andrembesoa Betafo ny 27 Novambra teo. Niantso ny zandary avy hatrany izy ireo ka tsy ela dia tonga ireto farany izay miisa 5 efa mamita iraka tao Andrembesoa tarihin'ny CB ao Ambohimanambola. Ankitifitra no nihaonan'izy ireo tao Andalantery ka resy tosika ireo dahalo. Navela ireo omby ary lasa nitsoaka izy ireo. Ny 29 Novambra teo ihany koa tao Ivato/Faravohitra/Ambohimanambola dia dahalo miisa 4 mitondra basy sy omby roa no tsikaritry ny fokonolona. Niantso ny CB_Ambohimanambola avy hatrany izy ireo ka nandefa zandary maromaro hizaha ifotony izany ity farany. Tratra teo am-pitondrana omby ireo olon-dratsy noho izany. Raikitra ny fifampitifirana ka dahalo iray no namoy ainy. Tavela teo ny basy nampiasainy. Nitsoaka kosa ireo namany raha nahita izany. Mitohy ny asa fampandriana fahalemana ny faritra.
Pati
Légende : Ireo omby votsotra teny an-tanan'ireo dahalo !
 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

tompon'ny Hotel Jardin de la mer

Card image cap
06-mai-2026

maty notifirin’ny zandary, mitroatra ny vahoaka…

Card image cap
06-mai-2026

faty nisy namono tao an-tokantranony

Card image cap
06-mai-2026

Voasambotry ny Polisy teny Ampasampito

Card image cap