no sarona teny Ambohimangidy Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny 05 Mey lasa teo. Raha araka ny fantatra dia ity lehilahy iray ity mihitsy no mpambogady rongony eny amin’iny faritra iny ka ireo tanora tovolahy no tena mandray sy mividy izany. Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ilay ranamana ity no nahafantarana fa raisiny avy amin'ny zanak'anabaviny izay mipetraka any Toliara ireto rongony ireto. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ilay ranamana. Eo an-dalam-pikarohana ilay anabaviny kosa ny mpitandro ny filaminana izay vinavinaina ho mety hamatsy rongony olon-kafa eto an-drenivohitra ihany koa.
Pati
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy