airtel

Fandriampahalemana

27-mars-2023

Fandriampahalemana

Ambolitara Itaosy Tratra ilay rangahy mpivarotra sy mpamboly rongony

Sample post image

Mirongatra ny fivarotana sy fifohana zava-mahadomelina eny Itaosy sy ny manodidina. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony ireo mandray izany no sady tsy hanavahana toerana intsony ihany koa ny hifohany izany.

27-mars-2023

Isaky ny elakelantrano na toerana mangina dia saika feno avokoa raha vantany vao maizimaizina ny andro. Nanao hetsika manokana ny Polisy avy ao amin'ny kaomisarian’ Itaosy noho izany. Lehilahy iray no voasambotra tao an-tranony teny Ambolitara Itaosy teo am-pivarotana rongony ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany maraina. Nahitana rongony 12 fonosana tao aminy. Rehefa nojeren'ny Polisy teo an-tokotaniny dia mbola nahitana rongony maromaro maniry miafina ao anaty tany nambolena mangahazo ihany koa. Nongotana avokoa ireo rongony novoleny ireo ary noentina teny amin'ny biraon'ny Polisy ity lehilahy ity niaraka tamin'ireo rongony ireo taorian’izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap