airtel

Fandriampahalemana

03-févr-2026

AMPASAMBAZIMBA

AMBATONDRAZAKA Tratra izy 4 mianadahy mpamaky trano

Sample post image

Tratra ireo 4 mianadahy namaky trano

03-févr-2026

tao Ampasambazimba, Ambatondrazaka. Ny marainan’ny 29 janoary teo raha tsiahivina dia naharay fitarainana ny Polisim-pirenena fa nisy vaky trano tao Angarakoditra, Fokontany Ampasambazimba. Fahitalavitra fisaka sy vola roa hetsy Ariary no lasan'ireo olon-dratsy tamin'izany. Rehefa nanao ny fikarohana sy angom-baovao ny Polisim-pirenena tao Ambatondrazaka dia voasambotra ny harivan’ny 29 janoary teo ihany ny lehilahy iray isan’ny nandray anjara tamin’ilay vaky trano. Ny ampitson’io dia voasambotra tao Angarakoditra ihany koa ny mpiray tsikombakomba taminy. Nandritra ny famotorana dia nanoro ireo mpandray ny entana halatra ireto mpamaky trano ireto ka voasambotra ihany koa ny vehivavy roa izay samy mpividy entana halatra. Mbola tratra tany amin’izy ireo ilay fahitalavitra fisaka very nandritra ny vaky trano. Efa samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy 4 mianadahy ireo raha ny vaovao azo.
Pati
Légende : Ireto ry zalahy jiovavy sy jiolahy !
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

Olon-dratsy 284 voasambotra, 126 fanafihana voasoroka, 1,38 miliara Ar nampidirin’ny pasipaoro,…

Card image cap