airtel

Fandriampahalemana

15-févr-2023

Fandriampahalemana

Ampasanimalo Tratra ilay mpanendaka rehefa avy nifanenjehana

Sample post image

Tena efa lasa manendaka avokoa ny ankamaroan’ireo olona manao asa tsy ara-dalana amin’izao.

15-févr-2023

Lehilahy iray voalaza fa mpitaona entana monina eny Ambatoroka no tratra nanendaka teny amin’ny elakelan-tranon’ny Colisée Ampasanimalo omaly. Olona sendra nandalo no voaendaka tamin’izany. Teo am-pitsohahana indrindra ity mpanao ratsy ity no sendran'ny polisin'ny boriborintany faharoa ka avy dia nifanenjehana ka tratra. Rehefa nosavaina ilay tovolahy dia mbola tratra tany aminy ny finday iray avo lenta izay nohamarinin'ilay nilaza fa voahendaka fa tena azy tokoa. Taorian'ny fanadihadiana natao azy tany amin'ny biraon'ny polisy dia fantatra fa 29 taona ity farany . Omaly moa no niakatra fampanoavana ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ny anaolahy.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap