fodiana no saika notsindromin’ny mpanendaka tamin’ny antsy ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 09 ora alina. Sendra hitan'ny Polisy nanao fisafoana teny an-toerana anefa izy no sady nanambana antsy nandritra izany ka tsy afa-niala intsony . Noraisim-potsiny ilay ranamana vokatr’izany. Tsy nisy moa zavatra lasan'ilay mpanendaka no sady afa-doza ihany koa ilay Raim-pianakaviana . Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana moa dia anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana tokoa ny tananan’Ampasika sy ny manodidina amin’izao. Mahatratra 5 isan’andro raha kely ireo olona voaendaka eny an-toerana manomboka amin’ny 05 ora hariva ka hatramin’ny 08 ora alina raha tsy ferana ireo mety tratra alina voatsindrona antsy ka mety mamoy ny ainy ary harian’ireo tsy mataho-tody any amin’ny toerana tsy fantatra. Mila mitandrina hatrany araka izany ireo mponin’Itaosy manoloana izany.
Pati
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy