nitsoaka teny Ampitatafika Atsimondrano, ny faran’ny herinandro teo. Vololoniaina Robina no anarany ary avy Fianarantsoa no fiaviany. Niasa an-tranon’olona no nahatongavany teny Ampitatafika raha ny fantatra. Hivoaka hiantsena no nivoahany ny trano kinanjo efa noraofiny avokoa izay rehetra nilainy. Nentiny ihany koa mantsy ny firavaka volamena an’ilay mpampiasa azy sy entana isan-karazany. Mbola hifampitadiavana ity tovovavy kely ity hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Afaka miantso ny zandarimariam-pirenena ao Ampitatafika amin’ny laharam-pinday 𝟬𝟯𝟰 𝟭𝟰 𝟬𝟭 𝟵𝟵𝟭 moa izay sendra mahita azy. Tsiahivina moa fa tsy vao sambany no nisy mpanampy an-trano nangalatra volabe sy firavaka volamena tahaka izao teto amintsika. Tokony hahay handray lesona araka izany isika manana mpanampy an-trano toy ny tsy fampisehoana azy izay rehetra tsy tokony ho fantany, ny fametrahana fitokisana aminy diso tafahoatra…hisorohana ny tranga tahaka izao.
Pati
Legende : Ity ilay Ikalakely !
Mampivarahontsana ! Rongony 102 gony no saron’ny Zandary
Nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamina olon-droa ny
Nitrangana toe-javatra mampalahelo omaly Alakamisy 04 Septambra
Jiolahy miisa 3 nirongo basy no nanafika mpivarotra tao an-tsenan'Anosibe
Nisy lehilahy miisa 2 niditra an-keriny tao anatin'ny sekoly iray