airtel

Fandriampahalemana

05-sept-2025

ANALAMALOTRA TOAMASINA

Vehivavy iray novonoina dia avy eo nariana teny amoron-dalana ?

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo omaly Alakamisy 04 Septambra

05-sept-2025

maraina tany Analamalotra Toamasina. Renim-pianakaviana iray tombanana ho nisy namono no nisy nanary teo akaikin'ny tetezana ka hitan'ny fokonolona. Mivonto sady manganabe ny tarehiny no mivoa-dra ihany koa. Tsy nahatsiaro tena izy nandritra ny fotoana nahitana azy hoy ny vaovao ka voatery nentina namonjy hopitaly. Tsy nahitana taratasy mombamomba azy koa teny aminy. Ny Sefom-pokontany tao Analamalotra moa no nitarika ireo tsara sitrapo nanampy ity Renim-pianakaviana ity. Misy ihany koa moa ny feo mandeha fa mety nodomin'ny fiara ity vehivavy ity dia nitsoaka ilay mpamily. Ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny nanjo ilay vehivavy !
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Tonga ara-potoana tany amin'ny mpitandro filaminana ny vaovao

Card image cap
10-nov-2025

Voasambotry ny Polisim-pirenena avy

Card image cap
10-nov-2025

Naheno mialoha ny lehiben'ny

Card image cap