airtel

Fandriampahalemana

26-août-2026

Rakotondravao Sarobidy

"Mila miverina amin’ny soatoavina isika"

Sample post image

Manoloana ny tranga tsy

26-août-2026

fandriampahalemana amoizana aina miseho lany tato ho ato dia naneho ny heviny Rakotondravao Sarobidy, Ben'ny tanàna Kaominina Ambanivohitra Ambato Distrika Ambohidratrimo. "Mila miverina amin’ny soatoavina sy ny hasin’ny maha-olona isika, amin’izao zava-misy iainantsika izao", hoy izy. Mpandala ny fomban-drazana moa izy ka izay koa no nilazany fa "Tsy tokony ho zatra amin’ny herisetra, ny vono olona ary ny habibiana ny fiarahamonina. Ny aina dia masina, ary ny olona tsirairay dia manana hasina sy zo hajaina". Notsindrian-dRakotondravao Sarobidy fa "Ny maha-Malagasy antsika dia tsy amin’ny teny ihany, fa hita amin’ny fifanajana, fifampitsinjovana, fihavanana ary fahendrena", ihany koa. Aoka tsy ho very ao anatin’ny tabataban’ny fiainana ankehitriny ny zavatra nampianarin’ny razantsika : “Aza mamono hasina, aza manitsakitsaka aina, ary hajao ny maha-olona”. Aminy, rehefa voahaja ny hasin’ny olona, vao tena misy ny fiarahamonina mandroso.
Jean D.
Rakotondravao Sarobidy, Ben'ny tanàna Kaominina Ambanivohitra Ambato Distrika Ambohidratrimo

 

Dans la même rubrique

25-août-2026

fiarahamonina manontolo izao!"

Card image cap