airtel

Fandriampahalemana

25-août-2026

Johanne Wilfried

"Ratra-po ho an'ny

Sample post image

fiarahamonina manontolo izao!"

25-août-2026

Mihorohoro isika rehetra manoloana izao zava-nitranga izao, hoy ny mpanakanto sady mpanao politika, Johanne Wilfried. Raha ny vaovao miely momba an’i Nohasoavina Mikaella Israele Stéphanie, 21 taona, sy Samison Vololoniaina Haingotiana, 17 taona, no marina, dia tsy fahoriana ho an’ny fianakaviana ihany fa ratram-po ho an’ny fiarahamonina iraimanontolo izao, hoy izy. Nivoaka ny tranony izy ireo tamin’ny zoma saingy tsy nody intsony ary ny fitadiavana azy ireo dia niafara tamin’ny fahitàna ny vatany. Tsy tokony ho toy izao no hiafaran’ny ain’ny tanora. Tsy tokony ho lasa tahotra isan’andro ny fiainana. Tsy tokony hangiana isika manoloana ny herisetra. Aoka ny fanadihadiana hahafantàrana ny marina rehetra ary aoka izay tomponandraikitra, raha voaporofo fa meloka, hiatrika ny rariny! Mirary hery ho an’ny fianakaviana sy ireo olon-tiana very zanaka! Enga anie ireo fanahy roa ireo handry am-piadanana! Tsy Manjakaray ihany no miondrika anio fa i Madagasikara iray manontolo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

Card image cap
24-août-2026

Mitantara ireo efa lasibatra

Card image cap
24-août-2026

Nisehoana tranga mampalahelo heverina

Card image cap