Raha efa nangingina teo aloha dia somary miverina ny tranga fanjavonana sy famonoana olona. Anisan'ny nisongadina ilay fahafatesana tovovavy roa niala tetsy Manjakaray hijery sinema, saingy hita faty teny Ambohimangarova. Niombon’alahelo ary naneho ny fiaraha-miory sy nankahery ny fianakavian’izy mirahavavy dia i Stéphanie sy Haingotiana izay namoy ny ainy habibian’ireo tsy mataho-tody teny amin’ny trano fonenan’izy ireo teny Manjakaray ny Filohan’ny Fanavaozana Michaël Randrianirina sy Ramatoa vadiny, ny Mpanolon-tsaina Avon’ny Fanavaozana Ny Jeneraly Zafitasondry Marcellin, ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison narahan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta omaly atoandro. Taorian’ny famangiana dia nisy fihaonana manokana teo amin’ny Filohan’ny mivady sy ireo Fianakaviana. Nanome toky ny hanafainganana ny fanadihadiana hahafantarana ireo olon-dratsy ny Fanjakana. Miroso makany amin'ny fisamborana ireo tompon'antoka nahavanona iny habibiana iny ireo mpanao famotorana amin’izao fotoana izao, hoy ny fampahalalam-baovao iray. " Marina fa nisy indray ny trangana olona tsy hita sy maty izay iombonana alahelo amin'ny fianankaviana fa dia aleo ny "Centre Opérationnelle" izay miady amin'ny fakana an-keriny ao Tsaralalana no hiasa, mbola manome ny fitaovana ny governemanta, ka aleo izy ireo hanohy ny fanadihadiana hahafahana tena manenjika ny olona ao ambadiky ny famonoana olona", hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison omaly teny amin’ny Antenimierampirenena. Nanamafy ny Praiminisitra fa hanao fanadihadiana ny raharaha ao Tsaralalàna ny tompon’andraikitra, mba hamantarana raha misy fifandraisany amin’ny famonoana olona teo aloha ireo tranga miseho ankehitriny. Somary maromaro ireo tranga samihafa izay maneho fa mila hamafisina ny ezaka sy ny fitandremana ary ny fiarovana ny aim-bahoaka. Tsikaritra ho somary maromaro ny filazana tsy fahitana olona hita eny amin'ny tambajotran-tserasera. Mitombo ihany koa ny trangana tsy fandriampahalemana sy vono olona heverina ho noho ny lonilony, izay mety ho mitaky lamina sy fifampifehezana miainga amin'ny fandraisana andraikitra eny ifotony. Anisan'ireny ny trangana tsy fandriampahalemana toy ny famonoan'ny namany tovolahy iray tany Toamasina izay efa nisy mpandray anjara tratra, ny fanafihana nahafaty ilay mpaka matihanina iray teny Antohomadinika, ny fahitana fatina tovolahy mpibata entana tetsy Andravoahangy, ny fisiana tovolahy maty voatsindron'antsy ny tendany tao amin'ny Karaoké iray teny Iavoloha,... Misy ny politika entina mandrindra sy mitandro ny filaminana miainga avy aty ambony, fa misy ihany koa ny lamina sy fiaraha-mientana miainga amin'ny rafitra avy aty ifotony. Efa misy ohatra eto Antananarivo ny fokontany sasany mampiasa andrimasom-pokonolona hanao fiambenana sy fanaraha-maso amin'ny alina.
Toky R