tao Bealanana ny faran’ny herinandro teo. Tao Antingoanaomby, fokontany Ambodimadiro, kaominina Antaninivo Haut, Distrikan’i Bealanana, no nahatrarana rongony ireto rongony an-jatony gony ireto, milanja 1 taonina sy 574 kilao. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Zandarimariam-pirenena, dia nentina avy any Analabe, Distrikan’Ambanja ireo entana ireo, nokasaina hampidirina an-tsokosoko tao amin’ny faritr’i Bealanana. Nodorana ampahibemaso ny sabotsy 06 septambra ireo rongony ireo , tao Bealanana I, akaikin’ny Le Delta, ho mariky ny fandavana tanteraka ny zava-mahadomelina. “Hentitra izahay amin’ny fiarovana ny tanora mba tsy hivarilavo amin’ny zava-mahadomelina eto amin’ny Distrikan’i Bealanana », hoy ny Commandant de Brigade ao Bealanana Soloniaina Beneko. Marihina anefa fa tsy tratra anefa ireo mpitondra ilay entana, izay voalaza fa nandositra rehefa nahatsikaritra ny fisian’ny zandary. Tena goavana izany rongony 1,5 taonina izany sy ny voka-dratsin’ny fipariahany, izay manamafy, fa tena mahazo vahana ny fidorohana rongony eto Madagasikara. Mahavalalanina ihany hoe : tsy tsikaritra ve ny fisiana toeram-pambolena rongony goavana sy ny olona nanao tany amin’ny toerana na na fokontany nisy izany ? Tsy vao sambany no toa io fa efa matetika…
Toky R
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny