renim-pianakaviana iray no hita nihosin-drà tao an-tokantranony, tao Analatsifaka, kaominina Soanierana, distrikan’i Tsiroanomandidy, raha ny fampitàm-baovao voaray. Voalaza fa nisy tabataba tao an-trano talohan’ny nahitana azy. Nandositra ilay vadiny, izay mbola voalaza fa nitondra antsy, ary mbola karohin’ny mpitandro filaminana hatramin’ny ora nanoratana izao fampahalalàm-baovao izao. Namela zaza 12 taona ilay renim-pianakaviana. Tsy mbola fantatra mazava ny anton’ny fifamaliana nitarika izao tranga izao, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly hatrany aloha. Tombanana ho noleran’ilay raim-pianakaviana ny antsy, araka izany, ity ramatoa vadiny ity.
Nangonin’i J. Mirija