mitam-piadiana teny amin’iny faritr’Andohatapenaka iny ny 06 Janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Taorian’ny fanamarinana ny loharanom-baovao izay azon’ny Polisy nanao fanamiana sivily, ny amin’ny nahitàna olona miisa 4 nampiahiahy teny an-toerana dia nirotsaka an-tsehatra avy hatrany izy ireo. Raha ny fantatra dia anisan’ireo olona naharaisana fitarainana, ary nikasa hanao fanafihana ireto efa-dahy nihaodihaody teny amin’ny Coco Plastique Andohatapenaka ireto.Vao nahatsikaritra ny fahatongavan’ny Polisy teny an-toerana anefa izy ireo, dia namoaka fitaovam-piadiana teny aminy, ka tsy maintsy nitifitra ny Polisy. Lavo tamin’izany ny telo tamin’izy ireo raha toa ka tafatsoaka kosa ny iray. Mitohy ny fikarohana ilay iray.
Pati
Legende : Efa any ankoatra izy telolahy lavon’ny balan’ny Polisim-pirenena ireto !
Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona