airtel

Fandriampahalemana

28-juil-2021

Fandriampahalemana

Andohatapenaka Nitsoraka tany anaty rano ilay mpangalatra moto

Sample post image

Lehilahy miisa 04 no saron’ ny Polisin’ny UIR sy ny SUT Tsaralalana ny 25 sy ny 26 jolay lasa teo teny amin’ny lalana Digue Andohatapenaka rehefa avy nangalatra moto.

28-juil-2021

 Ny 25 jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 08 ora maraina raha tsiahivina dia nanao toy ny asa fanaony amin’ny andavanandro ny Polisim-pirenena ka anisan’ireny ny sakan-dalana. Nandritra izany indrindra no nisy moto nandalo, ka rehefa raikitra ny fisavana dia nirifatra nitsoaka ilay mpitondra moto ary tsy nijanona. Nifanenjehana niazo ny lalana Route Digue sy ny Etoile Rouge ilay lehilahy ka nony tonga teny akaikin’ny Ranon’Ikopa dia nitsoraka tany anaty rano izy ka noraisim-potsiny. Fantatra nandritra izany fa moto halatra ilay nentiny. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny SUT Tsaralalàna no nahafahana nisambotra ireo namany hafa ny Alatsinainy 26 jolay lasa teo izay nahitana basy vita gasy. Miisa 04 ireo voasambotra izay nahatrarana moto halatra roa hafa.Mbola itohy hatrany ny fikarohana hataon’ny Polisy.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap