Tonkantrano iray no lasibatra ny alin’ny sabotsy teo satria nisy niditra an-tsokosoko tao an-tokontany, ka nalain’ireo tsy mataho-tody io fitaovana io tamin’ny fiara marika Peugeot 206. Efa niseho ny tahaka izany tamin’ny tapaky ny volana jolay, ary niverina indray, hoy ny fanazavan’ny lasibatra. Niditra tao amin’ny faritry ny tanàna izay mifefy ireo olon-dratsy, nobahanany tamin'ny fatapera izay mipetraka eo an-tokontany ny varavarana. Nalefany ihany koa ny “robinet” teo an-tokontany dia ranobe fotsiny eraky ny tokontany, ankoatry ny halatra nataony. Ny nahagaga dia tsy hoe nopitsohany ny varavaran'ny fiara na koa ny “capot”, hoy hatrany ny lasibatra. Midika izany fa manana fanalahidy manokana ry nentina nanamorana ny halatra ireo olon-dratsy. Efa tamin'ny jolay, nisy nitaraina hoe very ny “batterie” tety amin'ny manodidina, dia io ihany koa fa niverina voa ny anay, ny tanananay anefa mifefy tamboho be, hoy ny fitantarana.
Toky R
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy