Andalambemahitsy, Kaominina Andraokaraoka, distrikan’i Mananara Avaratra tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha ny vaovao azo dia nalany aloha ny ain’io Raim-pianakaviana io. Notapatapahiny avy eo ny tongotra aman-tanany ary nataony tao anaty kitapo avy eo. Hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva moa dia mbola tsy fantatra marina izay antony namonoan’ny zana-badiny ity Raim-pianakaviana iray ity. Na izany aza efa tratran’ny fokonolona omaly hariva kosa izy ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny sampana vonjy aina ny lehilahy hatramin’ny omaly hariva izay voalaza fa efa kely ihany koa ny ainy. Tombanan’ny manodidina ho avy nifoka na nihinana zavatra tsy zakany moa ilay olona nahavanon-doza, antony tena nahavitany izao vono olona feno habibiana izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nisamborana ilay nahavanon-doza!
Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.
Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,
Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.
Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.