airtel

Fandriampahalemana

12-juin-2025

Trafikana volamena

Teratany Indianina iray nidoboka eny Tsiafahy

Sample post image

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

12-juin-2025

Tera-tany Indiana iray indray no tratran’ny Polisy misahana ny sisin-tany teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Alakamisy 05 Jona lasa teo, raha nikasa hanondrana an-tsokosoko vovo-bolamena milanja 422,72 g.Nandritra ny fisavàna no nahitàna fa misy endrika vovo-bolamena ny lovia tanimanga miisa 16 nentin’ity tera-tany Indiana ity, raha tsiahivina. Rehefa nohamarinina tokoa dia hita fa norarahana vovo-bolamena ireo lovia tanimanga ireo ka norakofana tamin’ny loko mainty hampiraikitra sy hanakonana ireo vovo-bolamena izany.Rehefa voamarin’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany fa vovo-bolamena tokoa ireo saika hoaondrana ireo dia nantolotra ny fampanoavana ity tera-tany Indiana tompon’antoka ity ka nidoboka am-ponja vonjimaika any Tsiafahy.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap