airtel

Fandriampahalemana

20-avril-2023

Fandriampahalemana

Androndrakely Nahitana fatin’olona indray omaly

Sample post image

Mbola tsy mitsahatra hatreto ny fahitana fatin’olona amin’iny lalana miazo an’Androndrakely iny.

20-avril-2023

Olona 2 isan-taona raha kely no hita faty eny an-toerana ka ankoatra ireo misy mamono dia manipy ao anatin’ilay tata-drano miainga avy eny Ankadimbahoaka iny dia misy ireo maradratra mihosin-dra toy ny sanatria avy nohanin’ny biby…Vao omaly indray izao dia lehilahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo no hita faty teny an-toerana. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tao anatin’ ny tambohon’ny Alhambra izy io no hita , tranga izay somary hafahafa ihany. Nilaza ho tsy nisy nahalala na nahafantatra ity lehilahy hita faty ity avokoa moa ireo izay nijery sy nahita azy taorian’ny niparitahan’ny vaovao. Marihina fa efa tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Maro tamin’ireo olona maty teny amin’iny faritra Androndrakely iny moa hatreto raha araka ny fanazavan’ny mponina no mbola tsy hita fototra izay te-namono azy koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo tompon’andraikitra voakasika.
Nangonin’i Pati Legende : Tahaka izao ny ilay Raim-pianakaviana hita faty !

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap