airtel

Fandriampahalemana

23-mai-2023

Fandriampahalemana

Androtra Tsiroanomandidy Rangahy lehibe 70 taona maty notapahin-doha

Sample post image

Tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Miseho amin’ny endriny maro samihafa izany toy ny nitranga tao amin’ny Fokontany Androtra, distrikan’i Tsiroanomandidy

23-mai-2023

Faritra Bongolava, omaly Alatsinainy tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisy andian-jiolahy nanafika ny tokantrano iray tao amin’io Fokontany Androtra io. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo izay manodidina ny dimy raha kely. Ny nampalahelo anefa dia Ramatoa lehibe sy ny vadiny efa lehibe ihany koa no lasibatra tamin’izany. Rehefa notakian’ireo jiolahy ny vola sy ny fananana toy ny firavaka volamena tao amin’ity tokantrano ity hoy ny vaovao dia notapahiny avy hatrany ny lohan’ilay Raim-pianakaviana manodidina ny 70 taona ka maty tsy tsa-drano ity farany. Tsy sahin’ireo jiolahy nokasihina kosa ilay ramatoa vadiny ka avotra soa aman-tsara. Na izany aza lasa feno tahotra sy horohoro ity farany vokatry ny fahitany ny zava-nitranga sy ny habibian’ireo jiolahy namono am-badiny. Tsiahivina moa fa saika isan-kerinandro dia ahitana vaky trano tahaka izao foana ao Tsiroanomandidy.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy milamina ny i Tsiroanomandidy
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Leo sy tofoka tanteraka amin’izao fitondrana mijoro izao ihany koa ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny

Card image cap
02-oct-2023

Henjana ihany ity fitiavana te-hanan-karena ity. Misy manaotao foana mihitsy ny sasany toy ireo mpisipa roa tany

Card image cap
02-oct-2023

Mihamahazo vahana tato ho ato ny halatra taolam-paty amin’ny alalan’ny vaky fasana. Ireo kaominina ambanivohitra

Card image cap
28-sept-2023

Mpivady no niray tetika namorona fakàna an-keriny tany Ankazobe ny 22 septambra teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

Card image cap