airtel

Fandriampahalemana

20-juil-2022

Fandriampahalemana

Ankadibevava Tratra ambodiomby ilay mpangalatra vy

Sample post image

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny CSP2 Ambohijatovo teny amin’ny faritry ny boriborintany faharoa ny lehilahy iray 22 taona omaly 19 jolay 2022 rehefa tratra ambodiomby nangalatra vy.

20-juil-2022

Mpitandro ny filaminana nanatanteraka ny asa fisafoana fanao andavanandro teny amin’iny faritra iny no nahazo angom-baovao izay nilaza fa misy olona mpangalatra eny Ankadibevava ary mbola eo am-panatsofana izany indrindra izy tamin’io ora io. Nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo, nijery ilay toerana ka tratra ambodiomby teo ilay olona voalaza. Mbola hita teny aminy avokoa moa ireo “fer” maromaro izay vao avy nangalariny. Araka ny fantatra dia miasa sy monina ao amin’ny mpanao “soudure" iray eny amin’ny faritra Ankadibevava ity lehilahy voasambotra ity ary maro no efa voa toy izao fa izao vao nisy tratra. Noentina avy hatrany eny amin’ny biraon’ny Polisy nanokafana fanadihadiana ny anaolahy.
Pati
Legende : Ilay lehilahy sy ireo vy nangalariny

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap