tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Fandriampahalemana

Ankadindramamy Basina miaramila mpiambina jeneraly ilay nentina nanafika

Nidoboka eny Tsiafahy afak’omaly ireo voarohirohy tamin’ny raharaha fanafihana teny Ambohidahy Ankadindramamy ny herinandro lasa teo, raha ny vaovao azo.

18-nov-2022

Sample post image

Miisa 7 moa ireo no sarona taorian’ny fanafihana mitam-basy nataon'ireo olon-dratsy. Nisy tamin'izy ireo no nanao ny asa fanangonam-baovao mahakasika ilay trano ho tafihina, ny hafa nampindrana Basy hoentina manafika ilay tokantrano, tao no nandray anjara mivantana nanao ny fanafihana ary ny sasany nandray sy nanafina ilay entana halatra tany amin'ny toerana nisy azy, araka ny tatitra efa nataon’ny polisy. Vato sarobidy mitentina hatrany amin’ny 90 milliards fmg moa no voalaza fa nokendrena, raha ny fikaroham-baovao. Raha ny vaovao azo antoka mifandraika amin’ny taratasin’ady 49/CR/J7/22 momba ity raharaha ity, voalaza fa miaramila ny roa tamin’ireo tafiditra tamin’ity raharaha ity, ary samy nidoboka eny Tsiafahy avokoa. Mpiambina manamboninahitra ambony dia ambony amin’ny fibaikoana ny tafika izy ireo. Voalaza fa hoe: nanao iraka tany Toamasina ny iray, kanefa ny basiny no nampiasaina. Tsy tena misy hidiran’ilay manamboninahitra ambony kanefa na izany aza, voalaza fa iniana hafenimpenina ny hoe: mpiambina an’ilay manamboninahitra ambony manana fibaikoana an-tampony eo anivon’ny tafika ireto voasaringotra amin’ny asa ratsy mampivarahontsana. Ny fitsarana no mamaritra na meloka na tsia ireo, fa izany aza, tena efa zava-doza tsy roa aman-tany raha toa ka olona manodidina ny manamboninahitra ambony eo amin’ny tafika izay tokony ho fitaratra no lasa jiolahy mivantana na ankolaka, mampiasa ny basiny hamonoana ny mpiray tanindrazana. Ahiana hiantraika any amin’ny toerana aman’andraikitr’ilay manamboninahitra ambony ve ny nahasaringotra ny mpiambina azy amin’ny asa ratsy ka izay no tsy dia niresahana ny momba azy ireo? Nirarakopana tato ho ato ny fahenoana fa basina mpitandro filaminana no hanafihana sy hitifirana olona etsy sy eroa. Vao ny 14 novambra teo, dia basina polisy no voalaza fa nitifirana olona roa teny Ambohimatsinjo Imerikasinina, ity indray basina miaramila no nanafihana teny Ankadindramamy,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Belo sur Tsiribihiana Tsy nisy maso sy lela intsony ilay zaza varira notapahin-doha
06-juin-2023

Zazalahy kely varira iray indray tamin’ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa hita faty tany amin’ny distrikan’i Belo Sur Tsiribihiana.

Card image cap
Antaninandro Tratra ambodiomby ireo mpangalatra zava-pisotro sy elo be
05-juin-2023

Tsy mandry fahalemana intsony ny tanana eto amintsika. Ankoatra ireo mpanendaka sy mpamono olona dia lehilahy miisa roa 43 taona sy 40 taona indray no fantatra fa nangalatra cageot,

Card image cap
Fifaninana ho polisim-pirenena Hotanterahina anio ny dingana faharoa
05-juin-2023

Hotanterahina anio alatsinainy 05 jona taona 2023 ny fanadinana fiodinana faharoa hidirana ho polisim-pirenena. Araka ny fandaminana dia

Card image cap
Fifampitifirana teny Anosibe Jiolahy iray no matin’ny polisy
05-juin-2023

Polisy manao fanamiana sivily amin'ny 4 ora maraina manao fisafoana any anaty elakelan-tranon'Anosibe no nifanehitra tamin'ireo andian-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana,

Voir plus