airtel

Fandriampahalemana

25-avril-2023

Fandriampahalemana

Ankadindratombo Zaza tsy ampy taona, tratra namaky trano

Sample post image

Zaza tsy ampy taona iray vao 15 taona monja no saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP Alasora teny Ankadindratombo namaky trano ny 22 aprily teo tokony ho tamin’ny 09 ora alina.

25-avril-2023

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo antso ny tompon’andraikitra ny filaminana miandraikitra iny faritra iny fa misy mamaky ny trano iray eo akaikin’ny toeram-pivarotam-panafody etsy amin’ny Bypass.Tsy niandry ela fa namonjy ilay toerana voalaza avy hatrany ny Polisy ka tratra ambodiomby tao ity zazalahikely ity. Tsy nahetsika tao anatin’ilay trano voatondro ny anaolahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny famaky izay nampiasainy. Raha araka ny fantatra dia eny amin’ny faritra Ambatonjara Bypass izy no mipetraka saingy tonga eny Ankadindratombo mamaky trano. Niakatra fitsarana omaly ihany koa ny anaolahy ary nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora mandray ireo zazalahy kely nania tsy ampy taona.

Pati
Legende : Mbola tsy ampy taona ity zazalahy kely ity saingy efa havanana amin’ny famakian-trano sahady

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap