airtel

Fandriampahalemana

07-juin-2023

Fandriampahalemana

Ankady Tanjombato Tovovavy 23 taona tratra nivarotra rongony

Sample post image

Tovovavy iray 23 taona no tratra nivarotra rongony teny Tanjombato afak’omaly 05 jona.

07-juin-2023

Araka ny angom-baovao azo dia monina ao Ankady Tanjombato izy io ary tena mivelona amin’io asa io tanteraka no sady mamotika ireo tanora eo amin’ny manodidina. Nandefa fitarainana tany amin’ny polisy araka izany ireto farany ka mbola tratra tao an-tokantranony ny rongony miisa 275 fonosana nandritra ny fisamborana azy. Raha arala ny fanazavany dia misy manatitra ao aminy izy ireo. Mahalafo 15 ka hatramin’ny 20 isa isan’andro izy amin’izany. Vidiany 50.000 Ar kosa ny iray harona sachet plastika iray ka tsinjaraina 100 isa ary hamidiny avy eo. Araka ny fantatra dia izy no mamatsy iny faritra Tanjombato iny. Natolotra ny fampanoavana omaly ity tovovavy ity ka naiditra am-ponja vonjimaika. Tsiahivina moa fa maro amin’ireo tovovavy tsy mahita rirany amin’ny fivarotan-tena no lasa mivarotra rongony sy roro amin’izao.
Pati
Legende : Ity ilay tovovavy sy ireo rongony tratra tany aminy
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap