Dahalo 20 lahy no fantatra fa nanafika ny campement mitondra ny anarana hoe Madiro. Nalain’izy ireo ny omby rehetra tao sy ny lehilahy miisa roa izay lasa takalon’aina. Raha vantany vao nandre io fanafihana io ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona dia niandry ny kizo tao Masiadolo ka raikitra fifandonana teo amin’ny roa tonta. Nisy ireo dahalo maty vokatr’izany izay nentin'ny namany nandositra. Ny iray kosa taraiky teo ka notapahin'ny fokonolona ny tanany havia ho famaizana azy. Tavela teo moa ireo omby nangalarin’izy ireo raha mbola hifampitadiavana kosa ireo roalahy lasa takalon’aina.
Pati
Legende : Ity ilay dahalo tavela notapahin’ny fokonolona ny tanany havia
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy