Raha araka ny fantatra dia ao anatin'ny fikambanan-jiolahy ity lehilahy ity no sady efa rain-dahiny amin’ny fanaovana asa ratsy ihany koa. Malaza ho mpampihorohoro ny faritra manodinana an’ Ankazomanga sy Tsaramasay iny mantsy izy sy ireo namany. Jiolahy miisa 04 izy no niaraka tamin’ity fotoana io ka tranon’olona iray teny Ankazomanga no novakian’izy ireo. Lasan'izy ireo tamin’izany ireo karazana entana toy solosaina entin-tanana sy vola mitentina 200.000 Ar ary finday miisa roa. Teo am-panaovany ny asa ratsiny mihitsy moa izy ireo no tra-tehaky ny tompon-trano ka nifanenjehin'ny olona teny amin'ny manodidina. Ny 03 lahy tamin’ireo no tafatsoka raha tratra kosa ny iray .Tonga ny Polisim-pirenena nandritra izany ka lehilahy efa nitangoronan'ny olona no sady efa niharan'ny fitsaram-bahoaka no hitany teny an-toerana . Nosamborina avy ity jiolahy ity ary notanana avy hatrany teny amin'ny kaomisaria natao fanadihadiana manokana. Nandritra izany no nahafantarana fa ao anatin'ny fikambanan-jiolahy izy ary vao nivoaka ny fonja tamin’ny zoma 11 novambra teo. Mitohy ny fikarohana ireo namany telo hafa .
Pati
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy