airtel

Fandriampahalemana

30-janv-2025

ANKIZY MANANA TOE-TENA VARIRA

Miisa 11 ireo namoy ny ainy tamin’ny taona 2024

Sample post image

Nahatratra 24 isa ny trangana fakana an-keriny nahazo ireo ankizy manana toe-tena varira

30-janv-2025

tamin’ny taona 2024 lasa teo raha araka ny fanadihadiana natao. Ny 11 tamin’ireo ankizy lasibatra tamin’izany no namoy ny ainy raha iray kosa no mbola tsy hita popoka hatreto. Raha araka ny fantatra dia ilay zaza varira nisy naka an-keriny tany Betroka ity mbola tsy hita hatramin’izao ity. Tafiditra ao anatin’ny asa hosahanin’ny Fikambanana Albinos Madagascar araka izany manomboka amin’ity taona vaovao 2025 ity ny hametraka ilay paikady maty paika hahafahana miaro ny ain’ireo ankizy manana toe-tena varira. Hisy ny fidinana ifotony hotanterahin’izy ireo hanentanana ireny karazan’olona ireny sy ny fianakaviany. Toraka izany koa ny fanabeazana azy ireny mba hahafahany miaro ny tenany. Hatreto mantsy raha araka ny fanazavan-dRamiandrisoa Soja Fulgence, Filohan’ny fikambanana dia maty momoka avokoa ny ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fitoriana na fampiakarana ny raharaha momba ny halatra zaza varira teny anivon’ireo ambaratongam-pahefana maro samihafa. Nomarihiny ihany koa fa ny Faritra Androy sy Anosy hatreto no mbola ahitana tranga betsaka momba ny fakana an-keriny zaza varira eto amintsika.
Pati
Legende : Miaina anaty tebiteby lava ireo ankizy manana toe-tena varira eto amintsika !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap
12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap