Anisan’ireny ny tsy fandriampahalemana toy ity Raim-pianakaviana jiolahy tratra nihanika fefin’olona teny Ankorahotra ity. Ny 29 Aprily lasa teo tokony ho tamin’ny 03 ora maraina ilay ranamana ity no tratran’ireo mpitandro ny filaminana nanatanteraka fisafoana teny Ampasanimalo niazo an’Ankorahotra. Teo ampihaniana fefin’olona ary efa saika tafihoatra hiditra tao an-tanana izy ka tratra ka noraisim-potsiny. Nandeha irery ity jiolahy ity araka ny fanadihadiana natao taminy, ary nikasa ny hamaky trano tokoa mba hahafahany mivelona. Taorian’ny fanadihadiana natao taminy dia natolotra ny fampanoavana ny tenany ka naiditra eny Antanimora vonjimaika.
Pati
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly