Misy amin’izy ireo no mpiray tsikombakomba raha misy ihany koa tena tompon’antoka. Natao ny vela-pandrika ka tra-tehaka tao amin'ilay trano ireo 05 voalaza etsy ambony ireo. Ny lehilahy iray mpividy , ny ramatoa iray kosa irakiraka, ny vehivavy roa mpivarotra heroine ary ny ambiny iray dia mpampiantrano ireo mpidoroka rôrô. Nahitana fonosana rôrô dimy(0,11grama) sy rôrô 0,11 mbola tsy vita fono niaraka tamin'ny fitaovana fampiasa amin'izany moa tao amin’ny trano nahitana azy ireo nandritra ny fisamborana. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy