airtel

Fandriampahalemana

23-févr-2023

Fandriampahalemana

Ankorondrano Roa vavy, tratra nandeka ramatoa avy naka vola

Sample post image

Tovovavy roa vao erotrerony tokoa satria samy mbola latsaky ny 30 taona avokoa no tratra nanendaka Ramatoa iray avy naka vola tamin’ny GAB tetsy Ankorondrano omaly Alarobia 22 Febroary.

23-févr-2023

Mbola teo am-panarahana ity Ramatoa ity izy mirahavavy ireto no efa tsikaritry ny polisy nanao fanamiana sivily ka narahin’ireto farany moramora. Tratra ambodiomby teo am-pakana ilay vola tao anaty poketran'ilay ramatoa moa izy roa vavy ka niala maina toy ny takotra. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia samy tsy an’asa hono izy ireo nefa mamelon-janaka ka tsy maintsy mitady vola. Ny vola haingana tahaka izao anefa no manavanana azy fa tsy mba manan-tsaina ny hikiry sy hiady ka izao tsy maintsy haka aina eny Antanimora izao ihany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap