airtel

Fandriampahalemana

18-avril-2023

Fandriampahalemana

Ankorondrano sy Andohatapenaka Mpivaro-drongony roa indray no tratra

Sample post image

Ramatoa iray malaza ho mpivaro-drongony eto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo no saron’ny polisy tao amin'ny trano fonenany tao Ankorondrano Atsinanana IVO ny faran’ny herinandro teo.

18-avril-2023

Tokony ho tamin'ny 05 ora maraina ireo Polisy no tonga teny an-toerana nanatanteraka izany fisavana izany. Rongony 61 fonosana noho izany no tratra tao amin'ity vehivavy ity. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa mahalafo rongony 20 fonosana eo ho eo ao anatin’ny 01 andro. Ankoatra ity vehivavy ity dia lehilahy iray ihany koa no tratra teny Andohatapenaka Andranoambo ny sabotsy ihany. Efa malaza amin'izao asa fivarotana rongony izao ihany koa izy. Nahatrarana rongony miisa 34 fonosana milanja 2,6 kilao tao aminy. Nilaza ity farany fa eny Anosivavaka izy no maka ireo rongony amidiny. Manomboka amin'ny 500 ariary ka hatramin'ny 2000 ariary no hamarotany ny fonosana iray amin'izany. Efa nanomboka tamin’ny taona 2019 izy no nanao ity asa ratsy ity, efa tratran'ny Polisy ary efa nigadra . Natolotra ny fitsarana omaly alatsinainy izy ireo ary samy nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa.
Pati
Legende : Ireto ireo anisan’ny ati-doha mpanaparitaka zava-mahadomelina eto an-drenivohitra
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap