tao Mandrosoarivo sy Fenoarivokely, samy ao anatin'ny fokontany Antanety, kaominina ambanivohitra Miarinarivo II omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany. Nanapoaka basy sy nandoro ny trano avy hatrany izy ireo raha vantany vao niditra ny tanàna. Ny sasany koa namoaka ny omby tao am-bala izay fantatra ihany koa fa maromaro. Naharitra ora roa ireo dahalo no nanjaka tao amin’io tanana io raha araka ny nambaran'ireo tantsaha mpamokatra ao an-toerana hatrany. Tamin'ny 8 ora sy sasany maraina ireto farany vao afaka nampandre nihetsika sy niantso ny manodidina saingy efa lasa ireo dahalo. Efa nisy moa ny fampahafantarana ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Miarinarivo nandritra izany narahina fanentanana ireo vatan-dehilahy rehetra mba hanao ny fanarahan-dia hahafahana manavotra ireo fananana kely sisa tavela. Very fanahy mbola velona tanteraka ireo tantsaha any an-toerana noho izany. Miezaka ny miompy sy mamboly hatrany mantsy izy ireo nefa raofin’ny dahalo ao anatin’ny indray mipy maso izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay tanàna avy nodoran’ny jiolahy
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly