nanendaka tao Antanimenakely Afovoany omaly 13 desambra tokony ho 10 ora sy sasany. Maro ny fitarainana voarain'ny eo anivon'ny biraon'ny Polisim-pirenena ao amin'ny kaomisaria Morondava manoloana ny harom-paosy sy sintomahery amin’izao ankatoky ny fety izao. Nisy araka izany ireo paik'ady natao hamongorana ireo tontakely. Vokany, tratra soamantsara izy mirahavavy ireto izay efa nitsoaka nandositra ny iray. Tsy menatra akory izy ireo nisaka ny kitapo nentin'ilay tovolahy, ka ny iray nanaraka avy aoriana raha naka zavatra tao anaty kitapo kosa ny iray. Rehefa azony izay nilainy dia miverin-dalana izy mirahavavy ary nitsoaka. Polisy manao fanamiana sivily no nahatsikaritra izany ka raikitra ny fifanenjahana. Nandositra ny iray fa ny iray kosa tra-tehaka tsy lavitra teo ka nentina nihazo ny birao avy hatrany. Nandritra ny fanadihadiana no nanoroan'ity farany ny toerana misy ilay namany ka nojerena tany ary voasambotra tao tokoa ny anaovavy. Vola mitentina 700 000 Ar no tratra tany amin'ity olon-dratsy ity izay an'ilay tovolahy voaendaka niaraka tamin'ilay kitapo kely tao anatin'ny kitapo lehibe .
Pati
Legende : Santionany amin’ireo jiovavy ao Morondava
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy