airtel

Fandriampahalemana

05-juin-2023

Fandriampahalemana

Antaninandro Tratra ambodiomby ireo mpangalatra zava-pisotro sy elo be

Sample post image

Tsy mandry fahalemana intsony ny tanana eto amintsika. Ankoatra ireo mpanendaka sy mpamono olona dia lehilahy miisa roa 43 taona sy 40 taona indray no fantatra fa nangalatra cageot,

05-juin-2023

fitoerana zava-pisotro sy zava-pisotro ary elobe teny Antaninandro ny sabotsy 03 jona teo. Tratra ambodiomby teo am-panaovana izany asa ratsy izany mihitsy izy roalahy ireo, hoy ny vaovao. Mbola tratra teny amin'izy ireo avokoa ireo entana halatra voalaza tetsy ambony noho izany. Avy hatrany dia noentina teny amin'ny Biraon'ny Polisy miasa eny an-toerana moa ireto farany ka fantatra fa olona tsy an’asa avokoa ary mivelona amin’ny fanabotriana ny mpiara-belona tahaka izao. Hiakatra fitsarana anio alatsinainy 05 jona etsy Anosy izy roalahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap