Nandray ny andraikiny avy ny polisy tamin’ny fijerena ny zava-misy. Tao amin’ny trano fonenany no tratra ity lehilahy iray ity. Mbola nahitana héroine milanja 6.96 g niaraka tamin’ireo fitaovana fampiasa amin’izany toy ny Seringue miisa 05 sy fandanjana 01 tao aminy . Nandritra ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa efa nandritra ny fotoana ela no nitsindronana zava-mahadomelina ity lehilahy ity. Niato kely izy nanomboka ny volana desambra 2021 ka izao niverina izao indray. Nitsiry tamin’izany ny hevitra ny hivarotra sy hamatsy iny faritra Antohomadinika iny ka izao tra-tehaky ny Polisy izao. Eny an-toerana hatrany ny ividianany ny héroine, jifaina 55.000 ariary ny 1grama ; tsinjarainy ho 5 sachet ka amidiny 15.000 ariary ny 1grama . Sarangan’olona maro no mila izany ao aminy. Natolotra ny Fitsarana omaly ny tovolahy ka niditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ilay rangahy tratra niaraka tamin'ny heroine sy ny fitaovana nampiasainy
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy