Tsy misy adihevitra, hoy ny antoko politika Otrikafo, fa fanakorontanana no misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Tsy misy resaka fitakiana vola mihitsy, hoy ny filohan’ity antoko ity, Elia Rabevahiny, ilay resaka fahaverezana olona na lehibe io na zaza. Raha misy resaka an’izay, hoy izy, dia mety azo heritreretina hoe fakàna an-keriny fa ilay izy anefa tsy izay mihitsy. Raha hihevitra tsinona ireo mpanakorontana na manao «déstabilisation» hoe resaka jiro na rano no hisarihany olona dia tsy hoe efa voavaha akory ny olana fa azo lazaina kosa hoe raha oharina amin’ny olana nisy teo aloha dia efa miandalana ny famahana olana. Tsy hahataona olona intsony izany izy amin’iny ka tsy maintsy mitady fomba hafa dia any amin’ny zaza tsy manan-tsiny na olompirenena tsy manan-tsiny no hanaovany raharaha. Habibiana tsotra izao fotsiny vokatry ny tsy fitoviam-pijery izany no mitranga. Hitantsika koa izao fa tonga dia misy olompirenena milaza hoe hisy ny hetsika hatao hanoherana ity fangalaran-jaza sy ny karazany ity, izay efa miparitaka eny amin’ny tambazotran-tserasera. Efa voalamina na «organisé», araka izany, ilay zava-misy. Malefaka loatra ilay fitondràna fanavaozana! Lasa refesin’ny sasany! Be dia be ny olona tokony mbola ho any am-ponja eto amin’ity firenena ity nefa avela hiriaria fotsiny. Mila jerena ireo forongony niaraka tamin-dRajoelina. Tsy fankahalàna olona izany fa fantatra hoe tsy hipetra-potsiny ireo olona ireo. Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hitady fomba hanozongozonana izao fitondràna ireo niala teo! Araraotin’ny hafa rehefa tsy mienjana ity fitondràna ity. Tsy hahafaly ny hafa mihitsy tsinona, ohatra, ny fanakanana fanotorana tany satria misy miliara tokony hiditra am-paosin’olon-kafa very. Toy izany koa ny resaka fifanarahana tamin’i Henry Fraise nahemotra. Tsy hipetra-potsiny izay very tombontsoa amin’izany. Toy izany koa ny resaka orinasa Karàna tokony hamatsy ny JIRAMA. Ny olona very tombontsoa amin’ny famatsiana fitaovana hanaovana lalana eto Madagasikara, izay efa zatra nanao fanagiazana izany tetikasa izany, dia tsy hipetra-potsiny ho very tombontsoa noho ny famatsiana izany fitaovana izany ho an’ny miaramila. Aza miheritreritra hoe hatoritory fotsiny ireo kaompania miisa 4 ireo rehefa miteny ny filohan’ny fanavaozana hoe alefaso ilay Tsimiroro! Avelantsika eo ihany nefa ny antenimieram-pirenena na dia efa hita hoe rafitra tsy mahomby. Miteraka olana ilay izy androany dia lasa miantraika amin’ny olompirenena tsy mahalala na inona na inona amin’ny resaka adilahy politika. Tsy vitan’ireo filoha miisa 5 irery izany fa mila ny fiaraha-mientantsika rehetra. Mila ravàna ireo rafitra zatra lalan-dririnina ireo fa andao hanangana rafitra hafa tena hitondra fanavaozana! Aoka tsy hilalao voro-maty isika ka hifoterany avy eo! Antsika ity firenena ity fa tsy an’ny SADC. Tombontsoan’ny SADC ny krizy eto Madagasikara. Anjarantsika no manapaka ny tiantsika hanaovana ity firenena ity fa tsy tokony hidiran’ireo any ivelany. Mila faritana miaraka ny atao hoe gadra politika fa tsy hoe izay tenenin’ny SADC no izy. Olona namadika volamena ho lasa vy ve raha voafonja dia gadra politika? Toy izany koa ireo olona tsy nanao afa-tsy nangorona ny haren’ity firenena ity. Fiaram-bahoaka maherin’ny 400 isa no very dia an-jatony miliara Ariary no voahodinkodina dia rahampitso sy rahafakampitso izany raha misy tomponandraikitra gadra amin’ireny dia gadra politika ve? Gadra politika ve izany ny filohan’ny Otrikafo rahampitso sy rahafakampitso raha atao hoe manao izay tiany sy mamono izay tiany ho vonoina androany satria mpanolontsain’ny filohan’ny fanavaozana, hoy hatrany ny Otrikafo?
J. Mirija
Korontana sy sorona ataon’ny te hiverina amin’ny fahefana…