distrikan’Antsiranana II mba hanaky tranon’olona fotsiny. Tratra ihany anefa izy ireo omaly 09 Novambra tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Nandritra ny asa fisafoana notanterahan’ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana no nahatsikaretan’izy ireo ny fisian’olona tsy fantampatantra sy tsy dia azo antoka mipetraka ao amin’ny tokantrano iray ao amin’ity Fokontany ity. Niroso tamin’ny fijerena sy fitsirihana izany ireo tompon'andraikitra ka tratra tao amin’ilay trano izy enin-dahy. Rehefa natao ny fisavana dia nahitana finday maromaro, « panneau solaire » ary kojakoja maro samihafa izay tsy fanta-piaviana tao amin’izy ireo. Nahatrarana antsy maranitra lehibe na "coupe coupe" miisa 03 izay fampiasan’izy ireo mandritra ny halatra hataony ihany koa. Araka ny tsilian-tsofina mandeha, dia ireto lehilahy voasambotra ireto no anisan’ny mpanatanteraka ireo halatra miseho tany an-toerana tato ho ato. Vao tonga vao haingana izy ireo fa tsy mbola tena tompon-tanana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy enin-dahy sy ireo fitaovana nampiasainy
Zazalahy kely varira iray indray tamin’ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa hita faty tany amin’ny distrikan’i Belo Sur Tsiribihiana.
Tsy mandry fahalemana intsony ny tanana eto amintsika. Ankoatra ireo mpanendaka sy mpamono olona dia lehilahy miisa roa 43 taona sy 40 taona indray no fantatra fa nangalatra cageot,
Hotanterahina anio alatsinainy 05 jona taona 2023 ny fanadinana fiodinana faharoa hidirana ho polisim-pirenena. Araka ny fandaminana dia
Polisy manao fanamiana sivily amin'ny 4 ora maraina manao fisafoana any anaty elakelan-tranon'Anosibe no nifanehitra tamin'ireo andian-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana,