airtel

Fandriampahalemana

25-août-2022

Fandriampahalemana

Arivonimamo Hiakatra fitsarana anio ireo dahalo nampijaly ny mponina

Sample post image

Hiakatra fitsarana anio alakamisy 25 jolay ireo daholo gaigilahy nampijaly ny mponina tao amin’ny distrikan’ Arivonimamo.

25-août-2022

Raha tsiahivina kely dia anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fandoroana trano tao Ambohitrinindrainy fokontany Anjanamahazo kaominina Ambohimandry izy ireo tamin'ny volana Novambra taona 2021. Niakatra fitsarana tao Arivonimamo ireo dahalo ireo taorian'io saingy afaka noho ny fisalasalana hoy ny vaovao. Namaly faty ireo fokonolona nitory azy ireo dahalo taorian’izany ka nalainy avokoa ny omby tao an-toerana. Nodorany ihany koa ny tranon'ireo fokonolona tao Ambohitrinindrainy Anjanamahazo Ambohimandry. May in-droa ny tranon'ireo fokonolona ireo noho izany. Tezitra ny iray amin’ireo rafozan'ireo dahalo ka naka ny zanany fa tsy hampanambadiany dahalo hono ny zanany ka vao niala tao an-tranony ny vadin'ilay dahalo izay nalain'ny dadany dia notafian'ireto dahalo ireto koa ny rafozany ka nodorany ny tranony ary nalainy daholo koa ny omby tao. Ankoatra izay dia mbola nanafika tao antsolabato kaominina ambanivohitra Amboanana ihany koa ireo dahalo ireo ny 14 oktobra lasa teo ka nodorany tanteraka ny tanàna ary lasany daholo ny omby. Manao antso avo amin’ny fitsarana ao Arivonimamo araka izany ireo tantsaha ao an-toerana mba hijery akaiky izao raharaha izao. Raha sanatria ka mbola ho votsotra ihany mantsy ireto dahalo ireto anio dia hitombo hatrany ny trano may sy ny omby very amin’ny alalan’ny valifaty hataon’izy ireo izay ahiana hisy aina hafoy mihitsy.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap
26-mai-2025

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly

Card image cap