airtel

Fandriampahalemana

02-mars-2021

Fandriampahalemana

Arivonimamo Maty voatifitra teo amin’ny fony ilay raim-pianakaviana

Sample post image

Tokantranona mpivaro-kena iray ao amin'ny fokontany Saromilanja, kaominina Arivonimamo,

02-mars-2021

 

 

 

 no notafihana jiolahy 8 lahy nirongo basy vita gasy sy fitaovam-piadiana tsotra ny misasak’alin’ny sabotsy teo.Ilay Raim-pianakaviana mpivaro-kena no tena notadiavin'ireo olon-dratsy, saingy ny vinantolahiny no hitan'izy ireo ka notifiriny avy hatrany izay vao 32 taona monja. Voa teo amin'ny fony io lehilahy io ary namoy ny ainy vokatr'izany. Namela mananontena izay bevohoka efa miandry andro ratompokolahy raha araka ny fantatra. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany moa ny vola 8 tapitrisa Ar sy ny findain'ny tompon-trano raha ny fantatra hatrany. Jiolahy iray moa no efa tratra raha araka ny fantatra hatrany.Vao herinandro lasa ihany koa izay dia andian-tsarety nitondra mananasy no notafihan'ny jiolahy tany amin’ity distrika iray ity.

Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap