Niditra tamina toeram-pivarotra finday iray tao Arivonimamo ity lehilahy ity ka nanao am-paosy avy hatrany ilay finday MEIZU M3 izay namidy teo ambony latabatra. Nisy nahatsikaritra anefa ny nanaovany io asa ratsy io ka nampandre ny mpitandro ny filaminana iretsy voalohany no sady nanaraka ilay tovolahy moramora. Rehefa natao ny fisavana ity lehilahy dia mbola tratra teny aminy io finday marika MEIZU M3 io. Nalefa any am-ponja vonjimaika ny tovolahy.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy tratra nangalatra sy ilay finday nangalariny !
Tena faritra mena amin’ny asa fanendahana ny eny Antohomadinika. Tsy vitan’izay very fananana ireo lasibatra fa mbola voavono ihany koa toy ny nahazo ny lehilahy iray nandalo teny an-toerana ny marainan’ny 25 jona lasa teo.