Mbola mpianatra ity farany raha araka ny vaovao azo ary saika hanamparan’io tovolahy io ny filan-dratsiny taminy. Raha vantany vao nahare izany ireo mpitandro ny filaminana miasa ao amin'ny Poste de Police eny an-toerana, dia niroso tamin'ny fikarohana azy. Hita ny toerana fiereny izay tsy aiza fa eny amin'iny faritra Andraisoro iny ihany ka noraisim-potsiny ny lehilahy. Fantatra ihany koa mantsy fa tena tompon'antoka tamin'ilay vaky trano niseho tany an-toerana izy io. Ity farany izay tsy zoviana amin'ny maro sy eny amin'ny manodidina amin'ny resaka halatra miharo herisetra ary harom-paosy eny amin'iny faritra iny. Nandritra ny fanadihadiana no nahafahana nisambotra ireo namany 05 hafa teny Tsarahonenana izay mpiara-manatanteraka aminy ireo asa ratsy voalaza ireo. Efa maro ihany koa ireo olona nametraka fitoriana mahakasika azy 06 ireto. 18 ka hatramin'ny 24 sy salan-taonan'izy ireo.
Nangonin’i Pati Legende : Ireto izy enin-dahy !
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy