airtel

Fandriampahalemana

01-févr-2024

Asan-dahalo tao Ambohimandry Arivonimamo

Lasa ny vola an-tapitrisany maro, vehivavy 3 voaolana

Sample post image

Mody mandroba fananana sy mitaky vola ny ankamaroan’ireo dahalo miditra

01-févr-2024

any an-tokantranon’olona ny ankamaroany saingy anisan’ny tanjon’izy ireo ihany koa ny hanolana sy hametaveta ireo zaza amam-behivavy sendra azy. Tsy misy hafa amin’izany ny fanafihan-dahalo mahery vaika nitranga tao amin’ny Fokontanin’ Ambohitrandraina Anjanamahazo, kaominina ambanivohitr’Ambohimandry distrikan'Arivonimamo ny alin'ny Talata 30 Janoary teo tokony ho tamin'ny 09 ora alina. Trano miisa 4 no nasesin'ireo dahalo notafihana, raha araka ny vaovao azo. Tao amin'ilay tranon’olona mpiantoka omby no nidiran'izy ireo voalohany, izay nakan'izy finday sy vola an’hetsiny maro. Ny sasany kosa niditra tamin'ilay trano faharoa izay sady nandroba no nanolana ary mbola naka vola ihany. Ireo trano 2 farany kosa dia mbola voaroba vola ihany koa.Vehivavy miisa 03 no voaholana vokatr’izany ka 40 taona no zokiny indrindra. Vao 10 sy 14 taona kosa ilay zazavavy roa farany izay marihina fa simba tanteraka. Vola mitentina 640. 000 Ariary niampy ireo fitaovana tao an-tokantrano isan-karazany toy ny fahitalavitra no lasan’ireo tsy mataho-tody. Tsy vitan'izay fa mbola nodoran'ireo farany tamin'ny sachet plastika ihany koa ny tovolahy iray sendra azy ka naratra mafy. Nandrangaranga basy sy antsy lava lela hatrany moa ireo dahalo nandritra izany fanafihana mahatsiravina rehetra nataony izany.
Pati
Legende : Nikorontana ambony ambany tahaka izao ny tokantrano nidiran’ireo dahalo !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap