airtel

Fandriampahalemana

22-sept-2021

Fandriampahalemana

Asan-dahalo tsotra ihany ve sa inona ? 45 no maty tany Midongy Atsimo

Sample post image

Araka ny tatitra sy loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana, dia nanamafy ilay fisiana fifandonana teoamin’ny dahalo mitam-piadiana manodidinany 120 tamin’ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary 4,

22-sept-2021

 nitarika fahafatesana olona 45 tao Midongy Atsimo ny CNIDH (Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme) omaly 21 septambra . Tranga niseho ny 17 septambra tokony ho tamin’ny 5 mora nandritra ny fanafihana ny tanànan’Ambohitsohy sy Vohitsimbe tany amin’ny Kaominina Ambanivohitr’I Marovitsika no voalaza fa niteraka an’izany. Nanokatra fanadihadiana ny manam-pahefana. Nilaza hanokatra fanadihadiana ny CNIDH, ary hanao tatitra. Hanangona ireo antontam-baovao rehetra mifandraika amin’ny tranga sy ny zava-misy ara-pandriampahalemana any amin’ny faritra voakasika, ka tanjona amin’izany ny hitondra torolàlana ahafahana miaro ny zon’olombelona sy ny ain’ny olom-pirenena manan-jo ho velona eo anatrehan’ny toe-javatra mamohehitra mahazo ireo vahoaka. Tena zava-doza, ary heverina fa tsy asan-daholo tsotra intsony izany hamoizana ain’olona 45 izany fa efa tena fifamonoana. Tamin’ny tetezamita no efa nisiana olona 98, ny volana 24 mey 2021 teo no nisiana fanafihana tany Lavaranty any Midongy Atsimo hatrany, izay namoizana aina sivily 17 sy miaramila miisa 2, ankoatra ny fahamaizana trano 300 tafo sy ny omby 500 izay nisy moa no tafaverina. Efa tena zava-doza izany, ary takona ny ambara fa ezaka amin’ny fametrahana fandriampahalemana any Atsimo.
TSY TONGATONGA HO AZY
Efa tandra vadin-koditra eto ny tsy fandriampahalemana, ary tsy misy tsy ahenoana izany ny lafivalon’ny Nosy. Na izany aza, tsikaritra ho nisy fipoahana be tao anatin’ny andro vitsy. Mampametra-panontaniana hoe: asan-dahalo toy ny mahazatra sa efa zavatra hafa mihitsy? Niverina ny fanakanan-dàlana, ary tsy nitsitsy sy tsy nanan-tahotra ireo olon-dratsy na fiara efa ho 50 aza no nitanjozotra tany amin’ny RN7, ny herinandro teo dia tanàna iray manontolo no voatafika tany Briéville, may ny tanàna tany Farafangana,… Tena hary fitaovana ny olon-dratsy, ary misy mamatsy. Tsy tongatonga ho azy izany, fa heverina ho misy hifandraisany amin’ny toe-draharaha politika. Tandindon’ny fitadiavam-bolan’ny propagandy ve? Fambolena olana avy eo fehezina mba hahazoana tehaka ve? Tandindon’ny firosoana amina vanim-potoana mavaivain’ny 2023 hidirana amina fifidianana ve ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap