airtel

Fandriampahalemana

13-avril-2023

Fandriampahalemana

Asan-jiolahy Miha mirongatra

Sample post image

Jiolahy miisa 6 no lavon'ny polisy ny herinandro lasa teo, teny Anosipatrana, raha ny tatitra voaray. Misy mpamerin-keloka amin'izy ireo. Jiolahy 4 ihany koa no lavon'ny FIP Toamasina, omaly.

13-avril-2023

Vao nivoaka ny fonjan'i Tsiafahy ny iray. Ny azo antoka dia, hirongatra ny asan-jiolahy mahery vaika manomboka eto, hoy ny loharanom-baovao iray. Tsiahivina fa 115 isa ny voafonja tany Tsiafahy no nisitraka fanalefahan-tsazy raha ny nambaran'ny filoham-pirenena. 14 tamin'izy ireo no nivoaka teo no ho eo, ny janoary teo, satria tapitra avy hatrany ny saziny. Ny ambiny nivoaka tsikelikely, araka ny fahataperan'ny saziny avy. Ny heloka bevava moa dia azo sokajiana ho 3 karazana. Eo ny heloka bevava atao amin'olona toy ny fakàna an-keriny, ny vono olona, fanolanana, fampijaliana sy ny maro hafa. Faharoa, ny heloka bevava mahakasika fananan'olona tahaka ny halatra miharo herisetra sy fisolokiana. Farany, ny heloka bevava naha lasibatra ny fitondram-panjakana toy ny famadihana na «trahison», fitsikilovana, fanaovana vola sandoka sy ny maro hafa. Ireo namono olona, nanolana, nanao fanodinkodinana fananam-panjakana, nanao fakàna an-keriny sy nanondrana harem-pirenena an-tsokosoko dia tsy anatin'ireo nahazo fanalefahan-tsazy, raha ny tany Tsiafahy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray sy fanazavana. Hita ho miha mirongatra araka izany izay asan-jiolahy izay na an-tanan-dehibe na any ambany ravinkazo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Leo sy tofoka tanteraka amin’izao fitondrana mijoro izao ihany koa ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny

Card image cap
02-oct-2023

Henjana ihany ity fitiavana te-hanan-karena ity. Misy manaotao foana mihitsy ny sasany toy ireo mpisipa roa tany

Card image cap
02-oct-2023

Mihamahazo vahana tato ho ato ny halatra taolam-paty amin’ny alalan’ny vaky fasana. Ireo kaominina ambanivohitra

Card image cap
28-sept-2023

Mpivady no niray tetika namorona fakàna an-keriny tany Ankazobe ny 22 septambra teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

Card image cap